Taorian’ny filankevitry ny Minisitra natao ny 04 aogositra 2026 izay manafoana ny didim-panjakana manendry ny Filohan’ny Komitin’ny Famoahana Lalàna sy Fandravonana Disadisa (CRR) ao amin’ny Manamahefa Mpandrindra ny Tsenambaro-panjakana (ARMP), dia notontosaina anio zoma 21 Aogositra 2026 maraina ny lanonana famindram-pitantanana teo amin’
- Andriamatoa ANDRIAMIHARISOA Radoniana, lehiben’ny sampandraharaha misahana ny Fenitra sy Lalàna,
- Sy Ramatoa RAHARINIAINA Angelinà , Filohan’ny Komitin’ny Famoahana Lalàna sy Fandravonana Disadisa teo aloha.
Nanatrika izany Ramatoa RAHETLAH Herilala, Tale Jeneralin’ny ARMP sy ireo mpiara-miasa rehetra. Nohamafisina nandritra io fotoana io fa ny fitantanana ny Komity no nanendren’ny Fitaleavana an’Andriamatoa ANDRIAMIHARISOA Radoniaina fa tsy filohan’izany izy tsy akory. Notsipihan’izy ireo ihany koa nandritry ny fifamindrana ofisialy ny fitohizan’ny asa aman-draharaha ka hita soritra ny fahavononana hanohy ireo ezaka efa natomboka. Tsy nodinganina ny fanatsàrana ny fomba fiasa sy ny fanatanterahana ny andraikitra izay sahanin’ ireo Tale vaovao.
Andrasana arak’izany ny hanavaozana ireo rijanteny maro mifehy sy mandrindra ny Tsenambaro-panjakana mba hifanaraka amin’ny toetrandro sy ny fivoarana maneran-tany.